Lorem Ipsum is simply dummy text ofhe printing Ipsum has been the printing Ipsum has been the
_ 08.10.2023

News

Nisy zaza menavava maty tokoa ve nandritra ny fizarana jiro “Hazavana ho anao”?

Nanamarina ireo nanatri-maso fa tena nisy zaza menavava namoy ny ainy tokoa nandritra ny fizarana jiro teny amin’ny Arena Ivandry ny talata 12 desambra 2023. Ny talata 12 desambra lasa teo no namoaka tao amin’ny pejy “ Mpankafy l’invité du jour ( Real TV) ity fanehoan-kevitra ity Randrianantenaina Fitahy. Miara-miombona alahelo amin’ireo vokatrin’ny fisisihana nandritran’ny […]

Nanamarina ireo nanatri-maso fa tena nisy zaza menavava namoy ny ainy tokoa nandritra ny fizarana jiro teny amin’ny Arena Ivandry ny talata 12 desambra 2023.

Ny talata 12 desambra lasa teo no namoaka tao amin’ny pejy “ Mpankafy l’invité du jour ( Real TV) ity fanehoan-kevitra ity Randrianantenaina Fitahy.

Miara-miombona alahelo amin’ireo vokatrin’ny fisisihana nandritran’ny fangalana jiro omaly

Mifandraiky amin’izay vaovao izay hatrany dia nametra-panontaniana tao amin’ny pejy “Comité de soutien Marc Ravalomanana 2024” tamin’io andron’ny 12 desambra io ihany i Heritiana Hiandoniaina Nambinina. Toy izao izany fanehoan-kevitra izany: “Ary tsy hita tamin’ny vaovao ilay zaza maty omaly tamin’ny fizarana jiron’akoho. Sa nivoaka vaovao fa izaho no tsy nahita ? Taty Alarobia Ivandry”.

Mifandrirotra ireo mpanara-baovao. Ao ny milaza fa manaparitaka tsaho ireo milaza izany satria nilamina be ny fizarana, ao kosa ireo mino avy hatrany ny voalaza. Ireo haino aman-jery sy ireo gazety dia samy tsy nisy niresaka ity tranga ity avokoa.

Nidina ifotony hanamarina na tsia ny tranga ny Vaovao Check.

Nanatona avy hatrany  ny teny amin’ny foiben’ny Arena Ivandry. Rehefa niandry ora maro teo ny mpanao gazetin’ny Vaovao Check dia nanambara ny  teo anivon’ny Arena fa tsy misy afaka miresaka ireo tompon’andraikitra fa eo am-panomanana tanteraka ny lanonana fihanianan’ny filoha vao voafidy Rajoelina Andry Nirina. Nalaina ny mombamomba ireo mpanao gazety nanao ny fanadihadiana. Tsilian-tsofina no nahalalana fa tsy hisy intsony ny fizarana jiro “Hazavana ho anao” eny amin’ny Arena Ivandry fa isam-pokontany amin’izay no anaovana izany. Nanamarina izany vaovao izany ity afisy ity.

Ny tsy azo lavina aloha dia nisy tokoa ny fizarana ny jiro “Hazavana ho anao” ny 12 desambra lasa teo, teny amin’ny ARENA Ivandry. Noho ny fahabetsahan’ny olona nilahatra anefa dia voatery nosarahana roa ny fizarana ka nasiana ihany koa teny amin’ny kianjan’Alarobia.

Nandritra ny fanadihadiana no nijoro vavolombelona i Hanta izay niatrika ny fizarana ny 12 sy 13 desambra. “ Be dia be ireo vehivavy bevohoka torana sy ny olona naratra nisisika tao amin’ny Arena.Dia nisy tokoa ny zaza maty, zazakely mbola menamena.Teny amin’ny Arena daholo izahay dia avy eo nozaraina hoe ny sasany mankany amin’ny kianjan’Alarobia. Dia nihazakazaka teny Alarobia izahay fa ny tenako ary tsy nahazo akory”.

Teny an-toerana ihany koa i Perline (solon’anarana) ary nanamarina fa tena nisy tokoa ny zaza mena vava iray volana namoy ny ainy nandritry ny filaharana teny amin’ny Arena ny 12 desambra lasa teo. Raha ny fanazavany dia “efa narary ilay zaza no noentin’ilay reniny teny ka nampihombo ny aretiny ilay hafanana be ka izay no nitarika ny fahafatesany. Nisy ihany koa ireo naratra vokatry ny fisisihana sy ireo tsy nahatsiaro tena vokatry ny hafanana sy ny filaharana lava reny”.

Voatonona tamin’ity fanehoan-kevitr’i Heritiana Hiandoniaina Nambinina ity ihany koa ny teny Alarobia Ivandry. Nanatona an’i Randriamanantsoa Daniel, lehiben’ny vakim-paritra fahatelo eo anivon’ny fokontany, ny Vaovao Check. Tsy nandiso na nanamarina ity tranga ity ny tenany satria “ tsy teny an-toerana” nandritra ny fizarana. “ Tsy nisy fokotany teny ny alatsinainy. Niasa tao amin’ny fokontany aho fa tsy teny mihitsy”.

Tsy nisy fianakaviana nangataka “ acte de décès” tao amin’ny fokontany ihany koa taorian’izay. Nilaza ho naheno siosion-dresaka momba ity trangana fahafatesana zaza menavava ity kosa i Randriamanantsoa Daniel, lehiben’ny vakim-paritra fahatelo eo anivon’ny fokontany Alarobia Ivandry. “ Teny amin’ny Arena no henoko fa tsy taty Alarobia Ivandry”.

Narcisse, izay mpiambina ny kianjan’Alarobia, toerana nisian’ny fizarana ity jiro ity no farany nohadihadiana. Nanambara mazava i Narcisse araka izany fa “ tsy nahita n’inon’inona tao amin’ny kianja izay nambenany tamin’io fotoana io. Tany amin’ny Arena no nisy zaza nodimandry fa tsy tao Alarobia”.

Fehiny:

  • Tsy nisy ny vaovao ofisialy avy amin’ny tompon’andraikitry ny Arena momba ity tranga filazana zaza menavava nodimandry nandritra ny fizarana ny jiro “Hazavana ho anao” ity.
  • Nanamarina ity tranga ity ireo vavolombelona izay niatrika izany fizarana jiro izany.
  • Tsy voafaritra mazava ny anton’ny nahafatesan’ilay zaza.
  • Tsy nisy filazana na fangatahana fanamarinam-pahafatesana na “ acte de décès” tany amin’ny fokontany Alarobia Ivandry
  • Tsy nisy niresaka ity tranga ity ireo fampahalalam-baovao