Lorem Ipsum is simply dummy text ofhe printing Ipsum has been the printing Ipsum has been the
_ 08.10.2023

News

Tena misy tokoa ve ny oniversite sy kianja mitafo naorina ao Port Bergé, araka ny kabarin’ny kandidà Andry Rajoelina ampielezan-keviny ?

Nanao fanehoan-kevitra tao anaty tambazotran-tserasera Facebook ny Alahady 15 Oktobra 2023, ny pejy iray mitondra ny anarana Aboaho ankiaka. Araka ny fampahafantaran’ny mpitantana, dia « Sehatra natao hizarana vaovao sy ireo zava-misy marina, tsara ho fantatra eto Madagasikara sy any ivelany » ity pejy ity. Lien: https://m.facebook.com/story.php?story_fbid=294869860163107&id=100089202860880&mibextid=Nif5oz Nolazaina tao anatin’izany ny ahiahy mahakasika ny  fahamarinan’ny ampahany amin’ny  […]

Nanao fanehoan-kevitra tao anaty tambazotran-tserasera Facebook ny Alahady 15 Oktobra 2023, ny pejy iray mitondra ny anarana Aboaho ankiaka. Araka ny fampahafantaran’ny mpitantana, dia « Sehatra natao hizarana vaovao sy ireo zava-misy marina, tsara ho fantatra eto Madagasikara sy any ivelany » ity pejy ity.

Lien: https://m.facebook.com/story.php?story_fbid=294869860163107&id=100089202860880&mibextid=Nif5oz

Nolazaina tao anatin’izany ny ahiahy mahakasika ny  fahamarinan’ny ampahany amin’ny  kabarin’Atoa Andry Rajoelina, kandida ho filoham-pirenena laharana faha 03, nandritra ny fampihelezan-kevitra nataony tao Port-Berget,  ny Zoma 13 Oktobra 2023 lasa teo.

Toa izao no vontoatin’ilay ranty : »  PORT BERGE : NANAITRA NY VAHOAKA NY FILAZAN’NY KANDIDA LAHARANA FAHA-03 FA NANAO ONIVERSITE TAO AN-TOERANA IZY. Nanao Université atsika eto Port-Berge.Nanao gymnase atsika eto Port-Berge. Samy efa 80% ny asa no vita‚ hoy ny filoha teo aloha Andry Rajoelina raha nandalo tao Port Bergé androany 13 Oktobra 2023. « Nanontany ilay teo akaikiko,  » aiza misy zany », navaliko azy tsy haiko fa zah io vahiny. Mba manontany areo, aiza moa misy université sy gymnase eto Port-Berge zany? Hoy ny mponina ao an-toerana mifanontany taoriany kabary miezinezina nataon’ity kandida laharana faha-03 ity ». Nosoniaviny taminy alalany soramandry hoe : « Aboaho Ankiaka  © JDR News www.presse-aboahoankiaka.mg » izany.

Tao anatin’ny herinandro, dia nahatratra  4 494 ny mpisehatra facebook naneho fihetsehampo, maherin’ny 1168  no naneho hevitra ary mpanao facebook miisa 909 no samy nizara izany.

Nanaitra ny mpanao gazety teto anivony VAOVAO Check ity ranty ity, ka nanaovana fanamarinana. Tena misy tokoa ve ny oniversite sy ny kianja mitafo ? tena ao Port Bergé tokoa ve no nanorenana azy ?

Ahoana hoy ny kabarin’ny kandidà laharana faha-3 ?

Tao amin’ny rindrin’i Lucie Rabefenitra, mpanao facebook any Port Bergé no nahitana horonan-tsary nalain’olon-tsotra maharitra 8 minitra sy 57 segondra, nandritra ny fampialezankevitra. Ny zomà 13 oktobra 2023 ihany no namoahana ny horonantsary. 

Lien : https://mobile.facebook.com/video.php/?video_id=850239869844309

Manomboka eo amin’ny faha- 08 minitra : 07 segondra amin’ilay horonantsary no miresaka momba ny oniversite ny kandidà Andry Rajoelina. Toa izao no nambarany : «(…)Hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena, tsy mba nahazo oniverste mihitsy ianareo teto Port Bergé. Noho izany, dia nametraka ny fanamby isika ary nanamboatra oniversite. Efa 80%-n’ny oniversite no efa natsangana ao, efa ho vita ary ho vita alohan’ny faran’ny taona io oniversite antsika io. Tsy mankany amin’ny faritra intsony ny zanak’i Port  Bergé(…) ».

Manazava ny manampahefana any amin’ny Faritra Sofia.

Nantsoin’ny Vaovao check an-telefaona ny Lehibeny Fatitra Sofia, ny Jeneraly Lylson Roland de René. Tsy niatrika io fotoany fampihelezan-kevitra io ny tenany noho izy mpitantana mbola am-perinasa. Voararan’ny lalàna ny manohana kandida, hoy ny fanazavany. Nanindry anefa izy, fa mety diso fehezan-teny ny kandida laharana faha 03. Araky ny  voalazan’ Andriamatoa Lehibeny Faritra Sofia, dia isaky ny Faritra no nanorenana Oniversite sy kianja mitafo fa tsy isaky ny Distrika. Koa satria Port-Berge ao anatiny Faritra Sofia dia misitraka izany fotodrafitrasa izany  ihany koany mponina ao. Nanamafy ny tenany fa tena miorina ao aminy Faritra Sofia io fotodrafitrasa io. Oniversite manara-penitra izay natao ao Anahidrano, Distrikan’Antsohihy. Tena misy, hoy izy ary efa manodidina ny 60 % ny fahavitany asa ankehitriny. Ny mahakasika ny Kianja mitafo na ny Gymnase indray, dia namarininy fa ao Antsohihy sy Mandritsara no nametrahana azy.

Nantsoina an-telefaonina ihany koa ny Solombavam-bahoaka ny Madagasikara voafidy  tao Port Bergé, Velontsara Paul Bert. Nilaza ity farany fa ny Oniversite ao Anahidrano- Antsohihy io nolazain’ny kandida laharana faha 03 io. Any amin’ny 110 kilometatra avy eo Port-Berge, lalana mankany Antsohihy no misy azy. Noho izany, hoy ny solombavambahoaka, dia mahazo tombony amin’ny fijoroan’io Oniversite io ny mponina avy ao aminy Distrikany Port-Berge amin’ny fampianaran-janaka,araka ny nambaran’ny kandidà laharana faha-3 nandritra ny fampielezan-keviny.

Fivoaran’ny asa.

Samy nanana ny nambarany  na ny kandidà laharana fahatelo, na ireo nantsoina nanamarinam-baovao, momba ny fivoaran’ny asa fanorenana. Ny kandidà Andry Rajoelina nilaza fa efa vita 80% ny asa. Ny Jeneraly Lylson Roland de René, Goverinoran’ny Faritra Sofia, nilaza fa efa vita 60% ny asa.

Ny azo antoka, dia efa tara ny favitan’ny asa raha ny ranty nivoaka tao amin’ny pejy facebook Gouverneur Faritra Sofia, tamin’ny 13 febroary 2021, fotoana nandatsahana ny vatofototry ny oniversite tao Anahidrano Antsohihy, no iverenana.

Voalaza ao anatin’ny ranty fa « (…)Ny asa fanamboarana dia mandritra ny 6 volana, izany hoe amin’ny volana aogositra no vita tanteraka ny asa « campus universitaire » ahitana trano fianarana rihana 2, amphithéâtre, trano famakiam-boky, laboratoara, cafeteria ary parking ».

Hoy i Vaovao Check :

  • Tena misy tokoa ny oniversite an-dalampanorenana. Tsy ao amin’ny Distrikan’i Port Bergé, fa any Anahidrano, Distrikan’Antsohihy no nanorenana azy.
  • Toa izany koa ny kianja mitafo. Tsy ao amin’ny Distrikan’i Port Bergé ihany koa fa any amin’ny Distrikan’ Antsohihy sy Distrikan’i Mandritsara ireo fotodrafitrasa ireo. Samy ao anatin’ny Faritra Sofia izany.
  • Tsy nilaza mivantana ny kandidà Andry Rajoelina hoe  ao Port Bergé no nanorenana ny oniversite sy ny kianja mitafo, saingy niteraka fifangaroana ny fomba fandraisana ny kabariny noho ireo fehezanteny manjavozavo nampiasainy.
  • Marina amin’ny ampahany ny ranty nivoaka tao amin’ny pejy « Aboaho Ankiaka, saingy tsy feno noho ny tsy fahampian’ny fanamarinam-baovao.